Loza mihatra amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, isan-taona, ny doro tanety. Tsy mitazam-potsiny ny fanjakana fa samy mandray ny tandrify azy, manao ny ezaka fisorohana an’izany. Nanao fanentanana ny ATT ho an’ny mpitatitra sy ny mponina.
Mitohy ny ady amin’ny afo any amin’ny lalam-pirenena fahefatra, manao ezaka ny faritra sy ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanenty any an-toerana. Nohamafisina ny fanentanana mahakasika ny ady amin’ny doro tanety ho an’ireo mpampiasa ny lalam-pirenena RN4 sy RN6. Voakasik’izany ny zotra nasionaly sy rejionaly, ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fizahantany ary ny mponina mipetraka manamorona ny lalam-pirenena (Ambovondramanesy, Ankarefo ary lalana mandeha Boanamary).
Faritra be doro ala ny lalam-pirenena fahefatra. Tokony hanaja ny toerana natokana hijanonana hakana aina ireo taksiborosy mpivezivezy amin’iny lalana iny. Tokony hamarinina tsara sao mbola misy sigara mirehitra mialoha ny hiaingana amin’izany toerana izany. Mailo amin’ny mety ho fiitaran’ny afo ho an’ireo mpitsangantsangana amin’iny lalana iny. Arovana hatrany ny tontolo iainana amin’ireo fako sy afo mety hampidi-doza.
Nametahana afisy ny biraon’ny kaoperativa tsirairay izay mampahatsiahy ireo fihetsika tokony hatao raha sendra mahita doro tanety eny an-dalana. Nizarana horonantsary mahakasika ny ady amin’ny doro tanety sy aro lozan’ny fifamoivoizana ihany koa izy ireo.
Nametrahana famantarana isaky ny fiara mpitatitra mba ho fanentanana ny fiantsoana ny nomerao maitso laharana 955 raha sendra mahita doro tanety.
Tsy hadino ny fanentanana ny olom-pirenena mipetraka manamorona ny lalam-pirenena satria tomponandraikitra voalohany izy ireny amin’ny fiarovana ny tontolo manodidina azy sy ny doro tanety mety hitranga manakaiky ny toeram-ponenany.
Niarahana tamin’ny Dredd Boeny sy Betsiboka ary ny faritra Boeny ny ezaka fanentanana. Teo koa ny ATT Boeny ary novatsian’ny Care International vola.
Tatiana A