Beach Soccer : anisan’ireo hitsara ny “Can 2024” i Naccache

Nanomboka ny sabotsy 19 oktobra teo, ao amin’ny torapasik’i Hurghada Egypte, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), amin’ny baolina kitra lalaovina ambony fasika na ny beach soccer. Na tsy mandray anjara amin’izany aza ny Barea de Madagascar, voatendry hitsara ny lalao, any an-toerana, i Tsaralaza Maolidy (Naccache). Nialoha ny fanombohan’ny Can, mbola niatrika fiofanana niaraka tamin’ireo mpitsara 19 voatendry hitantana izany ny tenany nanomboka ny 15 ka hatramin’ny 18 oktobra lasa teo. Raha tsiahivina, mpitsara baolina kitra (foot-ball classique), i Naccache, saingy manana ny mari-pahaizana amin’ny fitsarana beach soccer ihany koa, ka izao izy nantsoin’ny Caf izao.
Raha teo amin’ny vokatra ho an’ny andro voalohany amin’ity Can ity, nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 4 no ho 3 nanoloana an’i Tanzanie, i Maroc. Nahazo fahombiazana ihany koa ny Faraonan’i Egypte, rehefa nandavo ny kintana maintin’i Ghana, tamin’ny isa 6 no ho 3. Samy ao amin’ny vondrona “A” avokoa izy ireo.
Nitranga ny tsy nampoizina ho an’ny vondrona “B” ny andro alahady. Resin’i Mau­ritanie tamin’ny isa 5 no ho 2 ny Liona an’i Teranga Sénégal, tompondaka farany. I Mozambique nanilika an’i Malawi, 4 no ho 3.
Hisolo tena an’i Afrika, amin’ny “Mondial 2025”, hatao atsy Seychelles, ny roa miatrika ny famaranana.

Tompondaka

Partager sur: