Fampiroboroboana ny jono madinika : 82 tapitrisa dolara ny filàna ara-bola anatin’ny 5 taona

Mitotaly hatrany amin’ny 82 637 000 dolara ny filàna entina mampiroborobo ny jono madinika eto Madagasikara, ao anatin’ny dimy taona. Singa iray mamaritra ny toekarena manga ny jono madinika an-dranomasina sy an-tanety ka ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fananan’asa ary ny ady amin’ ny fahantrana amin’ny ankapobeny. Noho izany, napetraka ny Drafitra nasionaly hampiroboroboana ny jono madinika nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka, toy ny FAO, ny Task force, izay nandrafitra ny PAN-PP, ny alakamisy teo. Voaresaka ao anatin’izay ny fitantanana, ny fiarovana ary ny fampitaovana ny mpanjono. Hapetraka ihany koa ny fotodrafitrasa hampihenana ireo «perte poste capture». Voafaritra nandritra ny atrikasa ny filàna ara-bola ahafahana manatanteraka ny Drafitra nasionaly momba ny jono madinika.

Partager sur: