FANTINA sy FINTINA

Nentin’ny FFKM am-bavaka ny fametrahana ny foiben-toeran’ny kandidà HVM ao Mahajanga, Rakotovao Rivo, ny alahady teo. Nivoitra fa natao hifaneraserana ny foibe ao amin’ny Quartier Manga sy ao Mahajangabe, ao amin’ny Magro. Niantso fifanomezan-tanana sy fanohanana ny kandidà tamin’izany. “Antsika jiaby Mahajanga”, hoy izy.
Mitohy ny fitetezana ireo mpikambana ara-drazana tanterahin’ny kandidà Firaisankina, ao Mana­kara, Mahazomora Romario, laharana voalohany amin’ ny biletà tokana. Nahaliana ny vahoaka izany ary nanambaràn’izy ireo fa nahalehibe zaza sahy mijoro sy tsy voavidim-bola ny ao an-toerana.
Hentitra ny kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Razafinjoelina Tahina, fa tsy ilain’ny va­hoka intsony ny fampanantenana poakaty, rehefa fo­toan’ny fampielezan-kevitra. Nohitsiny fa mila asa izao. “Vokatra maharitra no tokony hapetrak’ireo mpanao politika rehefa manao propagandy fa tsy fitaka. Mila hampiakarina ny lentan’ny fanaovana politika”, hoy izy.
Tokony hojerena ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka, araka ny nambaran’ny depiote Fetra Rakotondrasoa. Nanteriny fa tsy tokony hibahan-toerana eny amin’ny Antenimierampirenena ny adihevitra momba ny fiara 4×4. “Olan’ny rehetra ankehitriny ny herinaratra tapaka sy ny rano ka tokony hanokanana vola”, hoy izy.

Partager sur: