Taorian’ny fanombohan’ny tetikasa fanofanana sy tantsoroka ho an’ny tanora manana fandaharanasa ho fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana, Anosy ary Atsimo Atsinanana, ny volana septambra lasa teo, tonga nisoratra anarana teny amin’ny Antenimieran’ny varotra hiatrika fiofanana ireo liana ka vonona hanangana orinasa hisehatra amin’ny fambolena. Ho an’ny andiany voalohany, mpamboly sy tanora ny ankamaroan’izy ireo ary hiasa ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Anosy.
250 ireo nisoratra anarana hatramin’izao, ka hisehatra amin’ny tetikasa fitrandrahana sy fanodranana ny vokatry ny fambolena. Hosantarina ny 15 novambra ho avy izao ny fiofanana sy ny fanomanana azy ireo amin’ny fandrafetana sy fitantanana tetikasa. Hikatona ny faran’ny volana izao ny fandraisana ny antontan-taratasy fisoratana anarana.
Hifantina tanora 50 avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy 50 hafa avy amin’ny faritra Anosy sy Atsimo Atsinanana ny mpikarakara hanaraka ny fiofanana mandritra ny enim-bolana eny anivon’ny Antenimieran’ny varotra ao anatin’ny faritra telo voakasika. Ho raisin’ny mpitantana ny fandaharanasa an-tanana ny fampiantranoana ireo tanora avy lavitra ka voasafidy hanaraka ny fiofanana. Misahana ny tetikasa fanofanana ny tanora ny fandaharanasa fanamorana ny fifandraisana sy fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny samy firenena (PACFC) izay fandaharanasa tohanan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad).
Vonjy