Hafari Malagasy : miaro ny zon’olombelona hatrany

Mihamitombo ny olana atrehin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Maro ireo olona matahotra ny hiditra birao kanefa misy zo voahitsakitsaka ao anatin’izany. Noho izany indrindra no antom-pisian’ny Hafari Malagasy, mampahafantatra ny zo didian’ny lalàna amin’ny olona iray, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany, tamin’izany, fa maro ireo olana mianjady amin’ny olona saingy ireto no hita matetika eo anivon’ny fiarahamonina: ny lehilahy tsy mamelona ny ankohonany, ny fanitsakitsaham-bady ary ny herisetra sy fikasihan-tanana (CBV). Olana mahatonga izany ny tsy fisian’ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady. Manoloana izany, miditra an-tsehatra ny Hafari Malagasy mandamina. « Tsy terena hiaraka kanefa koa izahay tsy manery hisaraka », hoy hatrany ny mpitarika ny fikambanana. Nohamafisiny fa firenena tan-dalàna i Madagasikara ka matoa misy lalàna voahitsakitsaka dia misy zon’olombelona tsy voahaja koa ambadik’izany. Olana iray mahatonga ny korontana ara-tokantrano koa ny tsy fisian’asa amin’izao fotoana izao. Miezaka hatrany, araka izany, ny Hafari Malagasy mandrindra sy mihaino ny olan’ireo olona mahatsiaro ho voahitsakitsaka ao anatin’izany herisetra izany.

Jean Claude

Partager sur: