Herinandron’ny Havàtsa –Upem 2024: hisy ny famoahana boky maro mandritra ny hetsika

Mbola velona ary mametraka hatrany ny maha izy azy ny fikambanan’ireo Malagasy poeta sy mpanoratra. Mitohy hatrany ihany koa ny famelomana ny asa soratra sy fanohanana ireo mpanatalenta, anisan’izany izao famoahana boky izao.

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 26 okto­bra 2024, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny « Herinandron’ny Havàtsa –Upem 2024 ». Han­dravaka izany ireo mpanakanto maro samihafa mandrafitra ity fikambananan’ireo poeta sy mpanoratra malagasy ity. Antsan-tonokalo, seho an-tsehatra, tafa sy dinika ary adihevitra maro samihafa no hameno ny fandaharam-potoanan’ity “Herinandron’ny Havàtsa- Upem 2024” ity. «Velona ho velona ny haisoratra, 72 taona nanavàtsa», io ny teny ma­nen­tana ao anatin’izao hetsika izao.
Sahala amin’ny fankalazana isan-taona ihany, misy ny lohahevitra kely mampiavaka ny andro iray. Anisan’izany ny Talata Manomboka, Alarobia Miverina, Alakamisy Mana­vàtsa, Zoma Misampana ary Sabotsy Manan-tantara. Hisy ny antsan-tonokalo sy tafa iarahana amin’ireo mpanoratra mbola am-perimpanoratana ao anatin’ireo fotoana ireo. Hisy ihany koa ny filalaovana tantara an-tsehatra maro samihafa. Anisan’ny hanamarika ity hetsika ity ihany koa ny famoahana boky. Anisan’ izany ny “Tombokavatsa sy Tsipelina Fitsiahy”, “Singom- panahy”.
Zava-dehibe ny fisian’ny fikambanana sahala amin’izao, indrindra eo amin’ny sehatry ny zavakanto, ahafahana mifampizara sy mifanakalo ho tombontsoa sy fampiroboroboana ny zavakanto. “Ao no iveloman’ny karazana asa soratra. Eo no irehetan’ny afo tsy mety maty Havàtsa Upem sy ny haisoratra velona ao anaty”, hoy i Hajaina. Mihamaro tokoa mantsy ireo manan-talenta sy aingam-panahy amin’ny fanoratana, indrindra ny tanora. Ilaina hatrany anefa ny fidirana sy fanarahana hetsika karakarain’ireo matihanina sahala amin’izao mba hampanara-penitra sy hivoaran’ny asa soratra ara-dalàna.

Lin

Partager sur: