« O ry zandry kely! ». Hira nalaza tany amin’ny taona 90 tany, izay mbola ahafantarana an-dRakoto hatramin’izao, izany. Monina any ivelany, kanefa tsy manadino ireo mpankafy eto an-tanindrazana izy, isaky ny afaka mandalo. Fantatra fa hiaka-tsehatra etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka izy, ny alahady 27 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fotoana hizaran-dRakoto indray ny mozikany, izay midadasika, io.
Manana hira maro dia maro ankoatra ny « O ry zandry kely! » tokoa mantsy Rakoto. Maro amin’izy ireny no tsy mbola henon’ny mpiray tanindrazana, satria tany ivelany no namoaka kapila efa ho 20 izy. Tsy amin’ny teny malagasy ihany ny hiran’ity mpanakanto ity, fa misy amin’ny teny frantsay, anglisy ary espaniola koa, toy ny « resignado » « Le viel homme », « Gipsy Lady », « La luna en otono », sns. Voarakitra anatin’ilay rakikira « Best of », nampitondrainy ny lohateny « Volana », ohatra, ireo.
Mampiavaka ny mozikan-dRakoto izay misandrahaka maka kolontsaina firenena maro, kanefa mifototra amin’ny maha malagasy azy izay. Niara-niasa tamina mpanakanto maro maneran-tany rahateo izy, kanefa tsy manadino ireo namany mpiray tanindrazana. Tamin’ny taona 2022 no nandalo farany an-tanindrazana Rakoto, ka seho tamina toerana kely teto Antananarivo sy tany Mahajanga no nosafidiany. Andrasan’ny mpankafy ny fiarahana amin’ny fotoana sy toerana hafa amin’ity fandalovany ity.
Zo ny Aina