Nitakiana 10 tapitrisa Ar: Zazalahy maty novonoin’ ny sakaizan-dreniny

Atidoha tamin’ny fakana an-keriny sy famonoana ho faty ny zazalahy 11 taona teny Tanjombato, ny alin’ny sabotsy 19 oktobra teo, ny sakaizan-dreniny. Nitaky vola 10 tapitrisa izy.

Namoy ny ainy vokatry ny hetraketraky ny sa­kaizan-dreniny ny zazalahy 11 taona, taona fahenina “6 ème”, tetsy amin’ny secteur III, fokontany Ambohimana­trika, kaominina Tanjombato, ny alin’ny sabotsy 19 oktobra teo. Tsy hita tampoka io zazalahy io ny harivan’io sabotsy io. « Nikaroka azy ny reniny. Nanatona ny polisy rehefa nandroso alina ny andro », hoy ny fanazavan’ny rahavavin’ny renin’io zaza lasibatra io. Naharay hafatra miafina tamin’ny telefaonina anefa ny renin’ny zaza fa mila mandoa vola 10 tapitrisa Ar izy raha te ha­ha­­zo ny zanany. Taitra, nikoropaka ilay renim-pianakaviana izay nitaiza irery ny zanany. « Mpifanerasera ary efa mifampiditra an-trano amin’izy mianaka io lehilahy io sy ny namany iray hafa », hoy ny fanazavan’ny fianakavian’ny lasibatra. Mody nanaraka an’ilay renim-pianakaviana nanao fampahafantarana teny ani­von’ny mpitandro filaminana anefa izy roa lahy, tamin’io fotoana io. Niverina nody tany an-tranon’ilay vehivavy izy ireo taorian’izay. “Novakiana hatramin’ny boatin-drakitra ka niara-nanisa ny vola tamin’io zandrinay io ireo roa lahy ireo”, hoy ny nambaran’ny zokin’ny renin’ilay zaza.

Novonoina, natao ambany fandriana

Nanomboka tonga nijery ny zava-nisy tamin’io alina io ny havan-dravehivavy. Nam­pi­ahi­ahy ny fianakaviana ny fihetsik’ireo roa lahy ireo. Nentina ny vola ary naka fiarakaretsaka izy telo izay nilaza fa hiverina any amin’ny mpitandro filaminana. “Narahin’ny anadahinay izay mpitandro filaminana izy ireo nanomboka teo”, hoy ny fanazavana voaray. Nosamborina, araka izany, ireo roa lahy ka natao famotorana. Niaiky heloka, nitantara ny teti-dratsiny ireto farany. Natorony ny toerana nasiany ilay zaza. “Nofa­torany ny tanana sy tongotry ny zanakay. Notrobarana zava-maranitra ny tendany ary nafenina tao ambany fandriana”, hoy ny fianakaviany. Tsy nisy aina intsony ilay zazalahy. Nentina natao famotorana lalina anivon’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava ny nahavanon-doza. Telo lahy hatreto no fantatra fa niray tsikombakomba nanao ity vono olona mahatsiravina ity. Natao autopsie teny anivon’ny HJRA ilay lasibatra ary entina any amin’ny tanindrazany any Andramasina.

Tsiferana R.

Partager sur: