Toy ny fanao isan-taona, nankalaza ny fetin’i Masindahy Lioka mpiahy azy ireo ny mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy, ny zoma teo. Nomarihina tamin’ny hetsika maro izany ka natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe. Niara-nivavaka tamin’izany ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny minisitera sy ny zandarimariam-pirenena, notarihin’ny Sekretera jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny Jly Andriamasimanana William Michel. Teo koa ny mpisehatra amin’ny fitsaboana eo anivon’ny miaramila, notarihin’ny miaramila dokotera, ny Jly Manantsoa Yves, sy ireo mpiara-miasa aminy. Fisaorana an’Andriamanitra sy fangataham-pitahiana no natao tao amin’ny Chapelle ka tao anatin’izany no nivoahan’ny hafatra avy amin’ny toriteny nalaina tao amin’ny Filazantsaran’i Lioka 10: 34-37. Nisongadina tamin’izany ny fitondrantenan’ilay samaritana tsara fanahy izay namonjy sy nitsabo am-pitiavana ny tsy mitovy fiaviana aminy. Nisy ny lalao ara-panatanjahantena natao tao amin’ny Kianja filalaovam-baolina ao Betongolo, taorian’izay.
Jean Claude