Miara-miasa ao anatin’ny tetikasa « Biodiversity-Economic Trade-off and Synergy Assessments for Conservation Areas » (Betsaka) ny Institut de recherche pour le développement (IRD) sy ny Oniversiten’Antananarivo. Jerena manokana ny fiantraikan’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara.
Fikarohana mahakasika ny fiantraikan’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny faritra arovana eo amin’ny olona monina manodidina izany ny tetikasa Betsaka. Natao nandritra ny 24 taona ny fikarohana izay niresahana ny sehatry ny toekarena sy ny sosialin’ireo mponina monina manodidina ny faritra arovana.
«Mazana dia ny biby sy ny zavamaniry hatrany no voaresaka vao mitonona ny faritra arovana. Ilaina ihany koa nefa ny mijery ny fiantraikan’izany eo amin’ny olombelona», hoy Randriamanampisoa Holimalala, avy ao amin’ny Centre d’étude et de recherche pour le développement (Cered) sy i Florent Bédécarrats, avy ao amin’ny IRD/UMI/Source, ny zoma teo, teny Ankatso, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa. Handalina sy hamoaka vokatra momba izany ireo mpahay toekareana. Misy tohan-kevitra omanin’ireo mpianatra roa mahakasika izany, iarahany amin’ireo mpikaroka miisa efatra hafa. Ankoatra izay, hamoaka ny voka-pikarohana mahakasika izany koa ireo Post doctorant.
Mampiavaka ny tetikasa Betsaka ny haitao ampiasain’ireo mpahay toekarena hanatanterahana ny tetikasa. Mavesatra sy mafonja izany ary ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ankilany, voalaza nandritra ny atrikasa fa nandritra ny 20 taona no nanaovana ny fikarohana nandinihana ny politika apetraka ho an’ny faritra arovana.
Sehatra
Mizara roa ny voka-pikarohana ho azo ao anatin’ny tetikasa. Hisy ny handalina manokana ny faritra arovana amina faritra maromaro eto Madagasikara. Hisy ihany koa ny hitondra ny voka-pikarohana amin’ankapobeny eo amin’ny seha-pirenena. Hifanome tanana ireo mpiantsehatra samihafa manana traikefa momba ny tontolo iainana sy ireo mpahay toekarena ao anatin’ny fikarohana atao, araka ny fanazavana. Marihina fa mamatsy vola ny tetikasa Betsaka ny fandaharanasa Paires eo anivon’ny AFD, iarahana amin’ny KFW.