Tetikasa « Mandroso »: hanatsarana ny fiasan’ ny ladoany

Mitohy ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha ao amin’ ny fadintseranana malagasy. An­­i­san’izany ny tetikasa «Man­­droso», tohanan’ny Fia­raha-miasa amerikanina (Usaid) amin’ny alalan’ny fandaharanasam-pampandrosoana (Pnud), hanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny ladoany. Nomena ny teny filamatra hoe: «fanavaozana ma­na­raka ny toetrandro ny fadintseranana, hitondra fitomboana ara-toekarena». Tanjona ny fitantanana mangarahara, sa­ha­za ny rehetra.
Miisa 2 000 ny mpandraharaha hisitraka ny tetikasa, eto Antananarivo, Toamasina, Ma­ha­janga, Toliara, Antsirabe, Antsiranana ary Nosy Be.
Natsangana ny Vaomiera fi­lan­kevitra sy tantsoroka ho an’ ny orinasa, hanamafisana ny fampitam-baovao, hahala­lan’ny manan-draharaha ny dingana amin’ny ladoany. Anisan’ny tombontsoa amin’ny tetikasa «Man­dro­so» ny fahazoan’ny mpandraharaha ny satan’ny mpandraharaha ara-toekarena nahazo fankatoavana (OEA).

Njaka A.

Partager sur: