Tsenan’Andravoahangy : jiolahy tratra teo am-panendahana

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, ny alahady teo, ireo jiolahy sivy malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Maro ireo mpivarotra sy mpiantsena mivezivezy ao amin’ny tsenan’Andravoahangy no mitaraina amin’ny hamaroan’ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy. Mano­loana izany, nanao hetsika manokana ireo polisy miasa ao amin’ny CSP3 Antaninandro, ny herinandro teo. Nandritra ity hetsika ity no nahatrarana ireto jiolahy ireto teo am-panaovana ny asa ratsiny. Manao andiany ry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny. Miaraka amin’ny akanjo sady mody mitakisina amin’ilay olona ho endahiny no misintona moramora ny poketra na ny fitoeram-bola. Misy indray ireo tonga dia maka an-keriny na manataka izany amin’ny antsikely na lame ny poketran’ireo renim-pianakaviana. Nanamafy ny polisy fa mitohy ny fidinana ifotony ataon’izy ireo ao amin’ny tsenan’ Andravoahangy. Ny jiolahy eo Analakely koa dia manao ny ataony mihitsy amin’izao.

J.C

Partager sur: