Fanandratana ny hira sy ny soatoavina : mitsangana sy mikaroka ny tarika Gasy mi…

« Tano ny anao fa ny an’ny hafa tsy omeny ary tsarovy fa Malagasy anie ianao » ! Io no antom-pisian’ny tarika Gasy mi… Mitafy fahavononana hanandratra hatrany ny hira sy soatoavina malagasy.

«Ny « mi… » azo ha­lavaina amin’ny hoe : miangaly, milay (tsara), mankafy ny raitra sy ny kanto, sns », hoy i Angelo, iray amin’ireo angady nananana sy vy nahitana ny tarika Gasy mi… Nohamafi­siny fa « tsy sasatra ny manan­dratra avo ny kanto an-kira sy dihy nentin-drazana malagasy izay samy mirakitra soatoa­vina sarobidy ho antoky ny fam­pan­drosoana ny tarika Gasy mi…».
Tsy voafetra hatreo amin’ ny fivoizana ny vakodrazana, sôva ary ireo gadon-kira nentin-drazana avy any amin’ny faritra ry Gasy mi fa milofo amin’ny fikarohana ny fomba kanto hampiarahan-dalana ny gadona malagasy amin’ny gadona hafa. Anisan’ireny, ohatra, ny sôva sy ny « afrô ». « Ny hanamorana ny fomba hampitiavana ireo taranaka ny mozika nentim-paharazana malagasy no anisan’ny antony hanaovana izany », hoy ha­trany i Angelo. Mikaroka ny fomba ahafahana misintona ireo tanora hankafy ny « mozikan’ny taniny » ihany koa ny tarika Gasy mi…

Manohy hatrany ny fikarohana

Anisan’ny voka-pikarohana hoentin’ny tarika Gasy mi… eny an-tsehatra ny fampiai­nana ny tononkira amin’ny alalan’ny fihetsika laroina ha­tsikana amin’ny endrika tan­tara fohy nefa feno anatra ma­fonja sa­haza ny rehetra. Mam­piasa ireo zavamaneno vita malagasy tahaka ny tsikadraha, korin­tsana, ambio, langoraona, sns, izy ireo. Miezaka mampifanaraka ny soradihy sy ny fianjaika eny an-tsehatra mba hanamorana ny fampitana ireo hafatra anatin’ny tononkirany.
« Chérie malala! », rindran­tsary (clip) hita eny anivon’ireo haino aman-jery maro eto Analamanga. Ity vazo ity izay nentin’ny Gasy mi… naneho fa mahafehy gadon-kira hafa ankoatry ny nentim-pahara­zana izy ireo. Tsy mifidy sokajin-taona ny fankafizana ireo kanto an-kira sy dihy voiziny. Voarakitra anatin’ny rindran­tsarin’ny tarika ihany koa ireo vakoka hita maso mampia­vaka an’i Madagasikara.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Partager sur: