Fanapohana solika : olona 24 nahatrarana solika 761 410 litatra

Nahatrarana lasantsy 750 000 litatra niampy gazola 11 410 litatra, olona 24 natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava Fiadanana, ary natolotra ny fampanoavana omaly. Naha­ray fitarainana tamin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo fa misy tambajotra mpanapoka solika sy mivarotra izany antsokosoko ao Toa­masina. Nidina ifotony tamin’ny toerana voatondro ny zandarimaria. Trano miisa folo nahatrarana olona am-polony miara-miasa manao io asa ratsy io. Nahatrarana lasantsy aman’arivony litatra niampy gazola tao amin’ireo tokantrano ireo. Tambajotra matanjaka mihitsy ity tratra ity. “Tapohin’izy ireo solitany ary vonoiny amin’ny alalan’ny asidra ny lokony”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny Sampam-piokarohana heloka bevava eo anivon’ny Zandarimaria etsy Fiadanana, Kly Ravelo­manana Tahina. Nogiazana avokoa ny fiarabe mpitatitra solika miisa efatra sy ny fitaovana fampiasan’izy ireo amin’ity asa ratsy ity. Any amin’ny faritra Avaratra toa an’i Maroantsetra, Mananara sy Fenoarivo Atsinanana no hamarotan’ireo olona ireo ny solika mitapoka. Natolotra ny fampanaovana omaly izy ireo. Marihina, mpibata entana, mpanapoka ny ankamaroan’ireo olona voasambotra. Miisa sivy amin’ireo 23 kosa ny tomponantoka noho izy ireo mpivarotra ary misy mpividy ny solika.

Tsiferana R.

Partager sur: