Hanampy ireo vehivavy sy ankizy any am-ponja ny eo anivon’ny “Sentinelles”. Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tetsy Faravohitra, ny alatsinainy teo, ny filohan’ny fikambanana “Sentinelles”, i Christiane Badel. Voaresaka fa hohatsaraina ny fiaraha-miasa hanomanana ireo sokajin’olona ireo hiverina eny anivon’ny fiarahamonina rehefa mivoaka ny fonja.
Efa miroso amin’ny fampiofanana ny mpanara-maso ny fifidianana ny fiarahamonim-pirenena Safidy amin’izao fotoana izao. Naharitra roa andro ny fiofanana natao tetsy Ambatonakanga ary hiparitaka any amin’ny faritra izy ireo. Anisan’izany ny eto Analamanga, Itasy, Bongolava, Alaotra…
Nivoaka amin’ny fahanginany ny antoko Ny safidin’i Madagasikara. Fotokevitra voiziny ny “Handeha hanarina ny firenena ho fanohizana ny tolona”. Tsy mbola naneho ny firehany, na manohana fitondrana na any amin’ny fanoherana, izy ireo, sady tsy nanolotra kandidà amin’izao fifidianana izao. Tsiahivina fa mpanorina ny antoko, ny Praiministra teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Desiré.
Hotendrena ny 11 novambra izao ireo filohan’ny rafitra mpikirakira ny voka-pifidianana isaka ny distrika (SRMV), araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. Efa mandeha koa ny fanontana ny biletà tokana sy ireo taratasim-pifidianana saro-pady nanomboka ny herinandro teo, any Afrika Atsimo. “Voahaja avokoa ny tetiandrom-pifidianana “, hoy ny Ceni.