Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny AFD : hisitraka fotodrafitrasan’ny Padeve ireo tanàn-dehibe

Miditra amin’ny andiany faharoa ny Fandaharanasa fampandrosoana ho amin’ny fandrindrana ny tanàn-dehibe (Padeve2). Nankatoavina tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany(MFFT), omaly, izany.

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MFFT, Ran­driamananjara San­ drina, fa anisan’ny hisitraka fotodrafitrasa iarahana amin’ ny AFD ny ao Antsiranana, Fia­narantsoa, Antsirabe, Toliary, Toamasina ary Mahajanga. “Hisitraka fotodrafitrasa novolavolainy ireo ben’ny Tanàna amin’ireo tanàna ireo. Homena tohana amin’ny fahaiza-manao hampaharitra ny fotodrafitrasa koa izy ireo”, hoy izy.
Fandaminana ny asa sy ny fandaharanasa izao natao izao hiatrehana ny fanatanterahana ny tetikasa ho an’ny taona 2025. Niainga amin’ny filàn’ny mponina sy ny fahahafa-manaon’ilay tanàn-dehibe ary ny fotodrafitrasa ny ma­son­tsivana amin’ny fahazoana
ny “Padeve2”. Hitohy amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny asa izany. Tanjona ny hametrahana tanàna mirindra sy tsara tantana ary ma­maly ny filàn’ny mponina amin’ ireny tanàn-dehibe ireny.

Nahavita be ny “Padeve 1”

Mitentina 56 tapitrisa euros ny vola ampiasaina amin’izany, amin’ny alalan’ny mpamatsy vola, toy ny AFD, ka misy am­pahany trosa fa eo koa ny omena maimaimpoana, araka ny nambarany hatrany. “Tsy mitovy arakaraka ny filàn’ilay tanàn-dehibe ny vola ho azon’ireo renivohi-paritra ireo”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny
efa nahavitana fotodrafitrasa maro ny “Padeve 1” amin’ireo tanàn-dehibe ireo. Anisan’izany ny tsena, lalana, zaridaina, fanajariana toerana ho an’ny fizahan-tany, abatoara, toeram-pidiovana…

Synèse R.

Partager sur: