INDRAY MIJERY

Nosokafana teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ny sabotsy teo, ny taom-piasan’ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara (MTEM) 2024-2027, sy ny taom-panabeazana 2024-2025. Natolotra, nandritra izany, ireo mpitarika rehetra teo amin’ny Mpanazava, Tily, ny komity lehibe ary ny firaisan’ny mpanazava sy Tily Tranainy ary Sakaiza .

Nofanina ireo mpiantsehatra mahakasika ny fampisakafoana an-tsekoly sahanin’ny fokonolona na ny « FASF », izay tohanan’ny Tafita Jica ara-tekinika, tao amin’ny EPP Fandriana, dren Amoron’i Mania. Niom­pana tamin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny FEFFI, fa indrindra ny fametrahana ny tambajotra vondron’ny fikambanana sy ny fandrafetana ny drafitrasa.

Distrika 105 eto Madagasikara no hanatanterahina fizarana lay misy odimoka. Maherin’ny 14 800 000 ny lay hozaraina amin’izany. Maimaimpoana ny fizarana isan-tokantrano ary lay tsara kalitao sy tena miaro amin’ny kaikitry ny moka. Hatorian’ny tsirairay isak’alina ary mandavantaona no tanjona.

Any amin’ny zoma any no hiverina ny rotsakorana ho an’ny faritry ny afovoantany sy ny any avaratr’i Madagasikara, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Mbola mitoetra ny rivotra avy any atsimo atsinanana hatramin’ny androany. Hitony tsikelikely ny atmosfera manomboka rahampitso.

Partager sur: