« Ligue des Champions 2025 » : hanala vela amin’ny Bayern ny Barcelone

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Olympique Lluis Companys Espagne, ny fifanandrinan’ny Fc Barcelone, klioba espaniola, sy ny FC Bayern Munich, Alemà. Lalao izay tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2025 (LDC)”, taranja baolina kitra.
Mbola manala vela amin’ireo bavaroa ny ekipa mpampiantrano amin’ity fihaonana ity. Nandritra ny “LDC 2022”, tany Espagne, resin’ny Bayern tamin’ny isa 3 no ho 0, ny FC Barcelone. Tsara ny mampahatsiahy fa anisan’ireo klioba nanome fahatsiarovana ratsy indrindra ho an’ny FC Barcelone ny Bayern.
Ny taona 2020, lalao am­pahefa-dalan’ny LDC, nomontsanin-dry zareo mpilalao avy atsy Munich, 8 no ho 2, ny klioban’ny Barcelone. Azo heverina ho toy ny famaranana kely ity fifandonan’ny roa tonta ity, samy laharana voalohany any amin’ny fifaninanana misy azy avy izy ireo. Tsara ny mampahafantatra fa samy manana lohalaharana tsara ny Bayern sy ny Barça. Ho an-dry zareo avy ao Allemagne, hita ao ry Harry Kane, Olisé, Coman, Leroy Sané. Ry Lewandowski, Lamine Yamal, Raphina ary i Pedri kosa ny an’ny espaniola.

Fitia Randria

Partager sur: