Mihantsy Polisy sy zandary: jiolahy fito maty voatifitra

Samy tsy nitsitsy ! Mihantsy polisy sy zandary ny jiolahy. Vokany, maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao anatin’ny indray alina ny olon-dratsy miisa fito.

Samy nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vai­ka avokoa tao an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy Toamasina Suburbaine, distrikan’i Toamasina II, afakomaly sy omaly. Ho an’ny tao Toamasina tampon-tanàna, tao amin’ny fokontany Anta­namborozano, jiolahy iray no nifanehatra tamin’ny polisin’ny Uir, notarihin’ny lehiben’ny kaomisaria foibe, ny kaomisera Rakotondrainivonona Pa­noël Tsiky. Nifamaliana ny tifitra teo amin’ny jiolahy sy ny polisy. Vokany, lavo nandritra ny fifampitifirana ny jiolahy iray.

Nanafika mpanao fety…
Enina tamin’ireo jiolahy 10 tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ampitarafana, kaominina ambanivohitr’ Am­bo­di­lazana, no lavon’ny zandary, ny fiandohan’ny herinandro. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa mbola tao anatin’ny fetin-drazana « Tsaboraha » ny fokonolona no nisy ny fandrobana. Nohararaotin’ny olon-dratsy ny naha irery ny mpiambin-trano tao amin’ilay tsena fivarotana. Lasan’izy ireo ny vola 800 000 Ariary sy entam-barotra maro samihafa.
Nisy nahatsikaritra ny fanafihan’ireo jiolahy. Raikitra ny fifanenjehan’ny fokonolona. Tonga ara-potoana koa ny zandary. Niroso tamin’ny fanarahan-dia. Nahitam-bokany izany. Jiolahy roa no maty voatifitra mialoha tamin’io fotoana io. Nitohy hatrany ny fifandonana. Niampy efatra hafa indray no lavon’ny mpitandro filaminana. Nanome baiko hentitra ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, amin’ny hanaovana hazalambo ireo andian-jiolahy mampitondra faisana an’i Toamasina.
Mbola nitohy hatramin’ny omaly hariva ny fifanenjehana any anaty ala eo amin’ireo jiolahy sy ny zandary.

Sajo

Partager sur: