“Miss Earth 2024” : ho any Phillipines i Hendry Tsiky

Herinandro vitsivitsy lasa izay no voafidy ho “Miss Ile de Mada­gascar 2025” Andriambolatiana Hendry Tsiky. Ho tohin’izay fisalorany ny anaram-boninahitra izay, hisolo tena an’i Mada­gasikara any amin’ny “Miss Earth 2024”, hatao any Phillipines, ity tovovavy ity. Hanomboka anio ny fifanintsanana, ka dingana maro no handalovan’ireo tovovavy misolo tena avy ny fireneny, mandritra ny roa herinandro. Firenena manodidina ny 80 eo no hanana tovovavy solotena, ka ny 9 novambra ho avy izao no ho fantatra izay tena hisalotra ny “Miss Earth 2024”.
Handimby an’i Fifaliana Valisoa, izay nisolo tena an’i Mada­gasikara, nandritra ny “Miss Earth 2023” tany Vietnam i Hendry Tsiky. Antenaina mba hahita vokatra tsaratsara kokoa, na dia fantatra aza fa henjana dia henjana ny fifaninana, ary ny hidirana anatin’ny 10 voalohany fotsiny dia efa fanamby goavana be. Hirariana ihany koa mba tsy hisedra olana maro, toa ny nisy tamin’ny taon-dasa ny solotena malagasy.
Tsara marihina fa tsy misy ifandraisany ny “Miss Monde” sy ny “Miss Earth”. Solotena samihafa, araka izany, ny an’ireo firenen-drehetra mandray anjara amin’ireo hetsika roa ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: