« Mode éthique et durable » andiany faharoa : hamolavolana mpandraharaha amin’ny lamaody

Mitohy hatramin’ny 30 ok­tobra 2024 ny hetsika « Mode éthique et durable », andiany faharoa, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Hetsika izay tetikasa miteraka vokatsoa eo amin’ny sehatra maro. Anisan’ny ma­hazo tombony amin’izany ny eo amin’ny sehatry ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana. Eo ihany koa ny fampandrosoana lovain-jafy. Amin’ity andiany faharoa ity, miisa 12 ireo tafita amin’ny dingan’ny famaranana. Tan­jon’ny hetsika ny hanome lanja ny talenta vaovao eo amin’ny sehatry ny lamaody sy ny famoronana.
Hifantoka kokoa eo amin’ ny tontolon’ny tefibika sy ny kojakojan-damaody ny « Mode éthique et durable » amin’ity andiany faharoa ity. Ao anatin’ izany no hanosehana ny mpifaninana hiroso any amin’ny sehatry ny fandraharahana eo amin’ireo sehatra ireo. Mari­hina fa efa misitraka fampiofanana mahakasika ireo mpifaninana miisa 12 tafita amin’ny dingan’ny famaranana. An­koatra ny fahaiza-mamorina. Anisan’ny andrasana amin’ ireo mpandray anjara ihany koa ny fandraisan’andraikitry ny famoronany eo amin’ny sehatry ny ekolojia. Eo ihany koa ny fahaiza-manaony amin’ ny tontolon’ny fandraharahana, ny fananana fanararaotra eo amin’ny tontolon’ny matiha­nina, ny fifandraisany amin’ireo mpanakanto, vahiny sy avy eto an-toerana, ary ny fanama­fisany ny toeran’ny lamaody sy tefibika eo amin’ny sehatry ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana.

Lin

Partager sur: