Rajoelina Mialy: “Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-dakilasy”

Samy manana ny olana sedrainy ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. Iraisana ny fahatsapana fa tokony hatsaraina ny famatsiana fanafody sy ny fitiliana ary ny fijerena manokana ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina.

Haharitra hateloana ny fivoriana faha-20 iraisan’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina mo­mba ny VIH /Sida, eny amin’ny CCI Ivato. Reny mpiahy ny hetsika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy. Nambarany, nandritra ny kabariny, fa araka ny tombana ny taona 2023, mahatratra 74 000 ny Malagasy mitondra ny VIH fa mbola 20 000 ihany aloha no voamarina. Betsaka, noho izany, ireo tsy mahalala ny toe-pahasalamany ka mamindra amin’ny hafa. “Ilaina, araka izany, ny fanentanana ny daholobe, indrindra ny tanora, amin’ny fomba fifindran’ny tsimokaretina sy ny fiarovana misy azony hatao”, hoy ny voalazany ihany. To­kony tsy hisy henatra manoloana ny zanany ny ray aman-dreny fa hiresaka tsy am-pihambahambana ny fananahana sy ny VIH/sida. Zava-dehibe koa ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-dalikasy ho tombontsoan’ny taranaka.
Nanao antso ho an’ny tanora koa izy amin’ny safidy itondrany ny tenany sy ny fiainany ka hamaritra ny hoavy. Mila manana ny vaovao sy ny fahalalana momba ny tsimokaretina VIH ny tanora, ahazoany misafidy ny lalana hizorany. Nanome toky ireo olona mitondra ny VIH koa ny vadin’ny filohan’ny Repoblika fa tsy irery izy ireo fa manohana azy ny fitondrana.
“Mbola mila ezaka ny famatsiana ny fanafody ARV ho an’ireo efa mitondra ny tsimokaretina sy ny fahazoana manao fitiliana satria ahafahana miaro aina”, hoy ny mpitondra tenin’ny olona mitondra ny tsimokaretina sady filohan’ny MAD’Aids, Marie Isabelle.
“Hatramin’ny taona 2003, nahazo vola hatramin’ny 600 tapitrisa dolara i Madagasikara hanaovana ny ady sy ny fandraisana an-tanana ireo mitondra ny tsimokaretina”, hoy ny solotenan’ny Fonds mondial mamatsy ny asa ho an’ny ady, Michaël Byrne. Mbola ilaina ny mampitombo ny vola natokana amin’ny ady tsy hahatapaka ny famatsiana ny fanafody sy ny fividianana fitaovana fitiliana.

Vonjy

Partager sur: