Nampahafantatra ny maha kandidà ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrikan’Ambohidratrimo azy, Rakotondravao Sarobidy. Kandidà natolotry ny Irmar, nahazo ny laharana voalohany anatin’ny biletà tokana. Vinany ny hitondra fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy hijery manokana ny vahoaka eny ifotony. « Manondro ny hetsika sy politika rehetra ny fanatsarana ny fari-piainana sy ny fotodrafitrasa any ambanivohitra », hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, fanabeazana, fahazoana rano fisotro, ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Azo lazaina fa anisan’ny mampihena ny fahantran’ny mponina ny fanomezana azy ireo loharanon-karena sy fahafahana ara-toekarena hanatsarana ny fidiram-bolany, raha ny nambarany. Ankoatra izay, « miaraka amin’ny fanomezan-danja ny vehivavy, fampiraisana ny tanora, ny fanatsarana ny tontolo ambanivohitra », hoy hatrany izy. Hamafisina ihany koa ny ady amin’ny fifindra-monina an-drenivohitra amin’ny alalan’ny fanatsarana ny tontolo ambanivohitra rehetra. « Ambato tsy maintsy mandroso », io teny manentana azy amin’ny fifidianana ho ben’ny Tanàna any amin’io kaominina io.
Mino