Sarona tao anaty vela-pandriky ny zandary tao Anilobe Vohitrambo, distrikan’i Vangaindrano, ny alatsinainy teo, ireo mpaka an-keriny, tompon’antoka tamina fakana an-keriny ankizy varira iray. Lasan’ireo dahalo mpaka an-keriny ny sabotsy 12 oktobra 2024 lasa teo ity ankizy varira valo taona ity, tao Mahitsy, fokontany Fotsivato Lohafary, Vangaindrano. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny fanarahan-dia avy hatrany ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra. Avotra soa aman-tsara ilay ankizy saika hamidy. Dahalo roa maty voatifitra nandritra ny fifandonana raha olona enina kosa voasambotra (efatra dahalo niampy vehivavy roa mpiray tsikombakomba nanafina ilay ankizy sady vadin’ireo dahalo). Tratra tany amin’izy ireo koa ny basy vita tanana roa niaraka tamin’ny mohara. Nentina nanao fizaham-pahasalamana eny amin’ny dokotera ilay ankizy. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa namono sefo fokontany tao Soaseranana Lopary ireo dahalo. Efa naka an-keriny zaza varira tao Ranomena Bevata koa izy ireo.
J.C