Hatao rahampitso, eny amin’ny foibe toeran’ny Malagasy rugby Andohatapenaka, ny antsapaka hahalalana izay hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondaka «Top 20». CRAI, Rosa, FTAT, JSTA, CEA, 3FAI, XV Avenir, XV Fa, no hiatrika izany. Lalao hatao ny 10 novambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Malacam.
Notanterahina nanomboka omaly, ao Addis-Abeba, ny fivoriambe ara-potoana faha-46 an’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Manatrika izany, any an-toerana, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Andriamanampisoa Alfred, sy ny sekretera jeneraly, Rasolonjatovo Larrah Nanou.
Nahazo bozaka natoraly vaovao ny Kianja Barea Mahamasina. Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, nosaromana “géotextile” ireo faritra tsy mbola maniry tsara. Raha tsy misy ny fiovana, amin’ny faran’ity volana ity, ho avy eto an-toerana ny Caf hijery ny fivoaran’ny Kianja.
Eo amin’ny laharana roa farany no misy ny UASC sy ny FTBA, amin’izao fotoana, amin’ny fifaninanana “XXL Top 12”, araka ny filaharana navoakan’ny Malagasy Rugby. Tsara marihina fa milatsaka avy hatrany any amin’ny “XXL Top 20 federaly II”, izay gisitra raha toa ka mbola hanao lalao sakana izay faharoa avy any amin’ny farany.