Hisy ny fampianarana kabary maimaimpoana izay karakarain’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, ny kolontsaina, ny vakoka ary ny fianam-piarahamonina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Manda Mpikabary. Hanomboka ny sabotsy 26 oktobra izao, manerana ireo Boriborintany I, III, IV ary V izany. Afaka misoratra anarana eny anivon’ireo Boriborintany ireo izay liana amin’izany.
Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’i Samoëla sy ny tariny. Efa herinandro maromaro izy no nihazo an’iny faritra avaratra iny. Ao Antsohihy indray ry zareo, ny zoma 25 oktobra izao. Ao Port Berger, ny sabotsy 26 oktobra ary ao Mampikony, ny alahady 27 oktobra. Mbola maromaro ny daty efa nomanina aorian’izay.
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny fampisehoana “Beko Elektriky”. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fitetezam-paritra fampahafantarana izany Beko izany. Soradihy laroina teatra nivoaka avy amin’ny Projet Dihy izy ity ary natao hifanaraka amin’ny filàn’ny mpankafy mozika ankehitriny.
Hitohy anio, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny atrikasa famoronana ho an’ny ankizy 6 hatramin’ny 12 taona. Famoronana sary vongana miainga avy amin’ny sanganasan’i Mary Sibande, mpanakanto avy ao Afrika Atsimo, no hatao mandritra izany. Atrikasa izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa fisarihana ny ankizy hiditra eo amin’ny sehatry ny zavakanto.