Arabe migodana : hafainganina ny fanaovana ny asa

Hanomboka ny asa miainga eny Ambodifasina, mankany Ambohimanga, amin’ny fanamboarana ny arabe migodana. Tokony ho vita amin’ity taona ity ny 80 km ka godirao ny 15 km.

Tonga eto Madagasikara ny iraka ny tarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa egy­p­tiana Samcrete, sampana Afrika, Alexandre Bernardo. Anisan’ny nihaona taminy, omaly 23 oktobra, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore. Noresahana ny fivoaran’ny asa fanamboarana ny arabe migodana, mampitohy an’An­ta­na­narivo sy Toamasina, sa­hanin’ny Samcrete. Tafiditra ao anatin’izany ny fanombohana ny asa, miainga eny Ambodifasina (PK 0) ka hatreny Ambohimanga. Eo koa ny fanohizana ny asa efa natomboka ny volana avrily 2024 teo. Nambaran’ny minisitra Rafidison Richard, fa mila hafainganina ny asa mba hanatrarana ny fe-potoana napetraka rehetra. Nanome toky ny tale jeneralin’ny Samcrete fa hanao izay tratry ny heriny hanatanterahina izany.
Anisan’ny misy olana eo amin’ny mponina ny asa eny Ambodifasina. Tsy manaiky ny hanotorana ny tanimbariny izay maherin’ny 100 ha izy ireo. Efa nanome toromarika ny fanjakana ny tsy tokony hanotorana tanimbary intsony, tany amin’ny ampahany Talata Volonondry hatrany Anjozorobe.

Vitaina godirao ny 25 km
Miverina indray anefa ny olana amin’ity ampahany Ambodifasina-Ambohimanga ity, na tonga nanazava tamin’ny mponina ny fizotry ny asa aza ny fanjakana ny 26 septambra teo. Tsiahivina fa 80 km ny lalana tratrarina mialoha ny faran’ny taona ity, ka vita godirao ny 25 km.
Ankoatra izany, tsy nanaiky ny handalovan’ny arabe migodana any amin’ny atialan’ny faritra arovana (noyau dur) ao anatin’ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (Caz), ihany koa ny vondrona sy ny fikambanana iraisam-pirenena sy eto an-toerana miaro ny tontolo iainana. Voatery novaina ny soritry ny lalana, ka vahaolana noraisina ny avy any Anjozorobe, ary mety handalo an’Andaingo vao mihazo an’i Toamasina.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: