Baolina kitra, vehivavy – «Cosafa cup 2024»: resin’ny Barea tamin’ny isa 5 no ho 1 i Maurice

Nanao be fiavy ny Barea de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa Cup”, sokajy Sénior, vehivavy, taranja baolina kitra. Nomontsaniny tamin’ny isa mavesatra ny Club M Maurice.

Tsara fanombohana ny Barea de Madagascar, vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosa­fa cup 2024). Omaly, tao amin’ny Kianja Wolfson Stadium, Afrika Atsimo. Nomontsaniny tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 1, ny Club M Maurice.
Tsy niady mihitsy ny lalao fa vao teo am-panombohana dia efa hita ny elanelana teo amin’ny ekipa roa tonta. Na­nantombo teo amin’ny tanjaka sy ny hakingana ny Malagasy nahitana an-dry Sylvia sy i Christina. Tsy nahavita nanafika mihitsy ny maorisianina fa niaro tena fotsiny. Noteren’ny Malagasy rahateo ry zareo ka nivoaka sempotra.
Nanokatra ny isa i Sylvia, teo amin’ny minitra faha-6. Tsy nijanona teo fa mbola na­nam­py baolina roa indray i Sarah, teo amin’ny minitra faha-18 sy faha-37. Toy ny nanaovan’ny Barea de Mada­gascar fanazarantena fotsiny ry zareo maorisianina. Tsy nahatafavoaka baolina mihitsy izy ireo, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Hain’ny Malagasy mpilalao rahateo ny namezivezy ny baolina teny ambony kianja. Nahatafiditra baolina fahefatra ny Barea, tany amin’ny fanampim-potoana mialoha ny hialana sasatra (45 mn + 3). Baoli­na matin’i Helisoa ka 4 no ho 0 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, nampihena ny isa ny Club M, tamin’ny alalan’i Julie Gopal, teo amin’ny minitra faha-67. Efa tany amin’ny 1 mn tsy hi­ra­vana vao nahafaty ny baolina faha-5 i Louissa, ho an’ny Barea. Voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra i Christina, izay milalao atsy Comores. Lalao manaraka ho an’ny Barea ny fihaonana amin’i Malawi, ny sabotsy 26 oktobra ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: