Manao izay ho afany amin’ny famongorana ireo tambajotrana mpanao trafikana zava-mahadomelina ao Toamasina ny polisim-pirenena. Mitsofoka manerana ny lalampasika rehetra. Tao anatin’izany no nahatsikaritra andian-jatovo mody mipetrapetraka eo amoron-dranomasina mifanila amin’ny kianja filalaovam-baolina ao amin’ny fokontany Dépôt I, Toamasina ny polisy, ny talata teo. Nametraka paikady rahateo ireo mpitandro filaminana nandritra izany ka nisy ireo nandeha an-tongotra, nisy ireo nandeha fiara. Niroso tamin’ny fisavana ireo andian-jatovo ny polisy ka nahita fa hay sady mpivarotra no mpifoka zava-mahadomelina ry zalahy ireto. Nandritra ny famotorana savaranonando no nahafantarana fa manodidina ny 17 taona eo ho eo daholo ny salan-taonan’izy ireo. Fonosan-drongony miisa 41 sy tanaty harona selofanina roa lehibe no hita tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana. Nanamafy ny polisy fa noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina no mahatonga ny firongatry ny asan-jiolahy mahery vaika ao Toamasina amin’izao fotoana izao.
Sajo