Nambaran-dRamisamanana Lova, filohan’ny Kintana football Madagascar (KFM), omaly, teny Andraharo, fa mankalaza ny fahadimy taona nijoroany ny KFM amin’izao fotoana izao, izay ahitana ny sekolin’ny baolina kitra Kintana academy sy ny klioba Jet Kintana. Ho fanamarihana izany, manomana hetsika maro izy ireo mandritra ity telo volana farany ity. Anisan’izany ny fikarakarana ny fifaninanana ho an’ireo kilonga, izay mitondra ny anarana hoe “Tournoi des Etoiles”. Hotontosaina eny Ambohimanga Rova, ny 10-17 novambra ho avy izao, izany ka ireo sokajy U8,U11, U13, U15, U18 ihany no hifanintsanana. Voafetra ho ekipa enina isan-tsokajy ihany moa ity Tournois des Etoiles ity.
Ankoatra izay, hisy ny lalao baolina kitra ho an’olona fito, ho an’ireo mpanohana ny Kintana Football na ny “Corporate Partner Cup”, izay hatao etsy Mahamasina, ny 24 novambra ho avy io. Aorian’ity fihaonana ity, hisy ny lanonana miavaka izay hanomezana ny loka rehetra ho an’ireo mpandresy tamin’ity hetsika fankalazana ity ary hotanterahina ny 1 desambra ho avy izao, eny By-pass, izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa efa maro ireo mpilalao voaantso Barea tao amin’ny Kintana football. Anisan’izany i Berajo, i Joma, i Tsito, i Doddy.
Fitia Randria