Fihaonana an-tampon’ny SADC: Hanampy an’i Madagasikara i Afrika Atsimo

Hanampy an’i Mada­gasi­kara i Afrika Atsimo amin’ny fikarakarana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, aogositra 2025. Fan­tatra izany taorian’ny fanoloran’ny ambasadaoro vaovaon’i Afrika Atsimo eto Madaga­sikara ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny Re­pob­lika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly. Manana traikefa amin’ny fandraisana fo­toan-dehibe toy izany ry zareo. Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, misy ny fifanohanana sy fifanampiana eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra rehefa misy ny fifidianana eo anivon’ny vondrona iraisam-pirenena. Ao anatin’izany, ohatra, eo anivon’ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina (UA). Voaresaka koa ny fiarovana ny sisin-dranomasina, ny harena an-dranomasina, fa mifanakaiky i Mada­gasikara sy i Afrika Atsimo. Eo koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny toekarena sy sosialy ary politika. Nam­baran’ny filoha Rajoelina fa tanjona ny hampitomboana hatrany ny ambaindain’izay fifandraisana diplaomatika eo amin’ny firenen-tsamihafa ham­pandrosoana an’i Mada­gasikara izay.

R. Nd.

Partager sur: