Fitetezam-paritra : Any Antsirabe indray i Bodo

Taorian’ny tany Mahajanga, nivoaka kely tany Toulouse, Frantsa, i Bodo. Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ho an’ity mpanakanto ity. Fantatra fa hihazo an’Antsirabe indray izy, ka hanao fampisehoana ao amin’ny Arotel, ny zoma 25 oktobra izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Efa elaela no niandrasan’ireo mpankafy ao Antsirabe an’i Bodo, ka tonga ihany ny fotoana. Hitety vanim-potoana amin’ny alalan’ny hira no tanjona, ka ireo izay tena handrasan’ny maro no alahatra.
Fotoana iray faharoa, hiavaka ihany koa ny alahady 27 oktobra izao. Hiray sehatra amin’i Njara Marcel indray i Bodo. Etsy amin’ny Phô Resto Aire du By Pass ny fotoana, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. “Fanilo Miampita”, ny anarana nampisalorana ny seho. Araka izay anarany izay, manohy ny fanohanany ireo mpanakanto tanora, izay efa nataony hatrizay ihany koa i Bodo. Ho fantatra miandalana kosa ny tohin’ ny fandaharam-potoana.

Zo ny Aina

Partager sur: