INDRAY MIJERY

Rehefa manaraka fitsaboana sy ny toromarika mandritra ny enim-bolana tsy tapaka ny olona iray mitondra ny tsimokaretina VIH dia tsy mamindra intsony. Maimaimpoana ny fanomezana ny fanafody ARV ho an’ireo efa mitondra ny tsimokaretina eto amintsika.
Anisan’ny asa ifotoran’ny minisitera ny Asa, ny fampananan’asa sy ny asam-panjakana ny ady atao amin’ny fampiasana ankizy. Hojerena ny paikady mahomby hisorohana ny mety hisian’ny tataon-doza amin’ny sehatrasa isan-karazany, indrindra ho an’ny endrika ratsy amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ho faritana anatin’ny drafitra nasionaly ao anatin’ny 10 taona manaraka, 2025-2035, ny asa hotanterahina.
Nikaondoha ireo teknisianina rehetra misahana ny maha olona ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ireo minisitera maromaro ho fanatsarana ny asa fikirakirana ny antontan-taratasin’ ireo mpiasam-panjakana. Tanjona ny hisian’ny fomba fijery mitovy sy irindran’ny asa haingana. Hanome toromarika eny
amin’ny Dren momba ny paikady vaovao amin’ny fikirakirana antontan-taratasin’ny mpiasa ny ekipa.
Marihina mandritra ny efatra andro ny faha-25 taonan’ny polisy monisipaly. Hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka no nisantarana izany, tamin’ity herinandro ity, teny Anosipatrana. Hitohy amin’ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolotoraly ny fankalazana. Mandrindra sy mandamina ny tanàna sy ny fifamoivoizana ireo polisy monisipaly ireo.

Partager sur: