Karohina ny lehibeny : telo vavy mpisoloky notanana am-ponja

Tafakatra telo ireo vehivavy notanana am-ponja, izay mpiray tsikombakomba amin’ny fisolokiana olona mandefa mpiasa any Canada, ny talata 22 oktobra teo. Olona fito anatin’ny fianakaviana iray nosolokian’ireo vehivavy ireo tamin’ny alalan’ny orinasa nampahafantarina anatin’ny tambajotran-tserasera. Nilaza ho mahavita mandefa olona hiasa any amin’ny firenena matanjaka any Amerika Avaratra izy ireo. Nangalany lelavola 3 tapitrisa Ar isanisany ireo olona fito ireo. Mpivady miaraka amin’ny zanany niampy ny fianakaviana akaiky ireo lasibatra ireo. Nanomboka ny 17 desambra 2023, nanodinkodin-dresaka ary tsy nahatontosa ny fampanantenany tamin’ireo olona voasolokiny izy ireo. Nifanesy ny fametrahana fitoriana nataon’ireo lasibatra teny anivon’ny biraon’ ny mpitadro filaminana. Voalaza ho lehiben’izy ireo ny lehilahy efa nokarohin’ny fitondram-panjakana malagasy folo taona lasa. Nitsoaka monina any Bénin io olona io, araka ny loharanom-baovao. Voasambotra ny olona efatra mpiray tsikombakomba tamin’io raharaha io. Natolotra ny fampanoavana ny talata teo. Notazomina vonjimaika any am-ponja ny telovavy raha toa ka nahazo fahafahana ny iray. Marihina, mbola hiakatra fitsarana ireto olona nohazonina vonjimaika ireto ny volana novambra izao. Olon-kafa indray no mitory azy amin’io raharaha io.

Tsiferana R.

Partager sur: