Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Efa nilamindamina ny resaka fijalian-dranon’Antananarivo. Nahavaha amin’ny ampahany betsaka ny olana ny fametrapetrahana barika plastika manerana ny tanàna. Manampy fianakaviana maro ny fivezivezen’ny kamiaobe mpitati-drano. Milamina aloha ny amin’iny na dia vonjy tavanandro sy anenjehana hamehana ihany aza izany.
Olana goavana tena manomboka mampitroatra ny mponina ny resaka jiro. Efa notaterina teto ombieny ombieny ny resaka hazavana sy ny angovo. Resaka delestazy! Tena tsy misy intsony seha-pihariana mahavelona ho an’ny mpiasa tena. Zary mampiaka-bidy ny saran’ny asa atolotra ny mpanjifa avokoa ny orinasa madinika mivelina amin’ny vola azo isan’andro. Tena sangy mihoatra ny loha ny zava-misy. Mijaly tanteraka ilay Malagasy.
Tsy sanatrian-dresaka famendrofendroana! Fa tena sintona lakolosy, hitadiavana vahaolana faran’izay haingana kanefa maharitra. Mandrora miantsilany ny fitondram-panjakana mizatra mitondra vahaolana peta-toko io. Marina fa misy ny kilalao maloto ao amin’ny fitantanana ny orinasa mpamokatra herinaratra saingy tsy tokony hanaiky mora ihany koa ny manam-pahefana.
Fotoana izao tsy maintsy hijoroana sy hanehoana fa mahafehy sy tompon’ny fahefana ny mpitondra. Tsy ny vahoaka madinika hatrany no indroa mahita ny maizina tahaka ny tain’omby asesika an-davaka. Sady efa maizina, tsy manana jiro no mbola iharan’ny tsindry azo lena sy ny famoretana raha mitaky ny zony hisitraka jiro mandeha.
Na izany na tsy izany anefa, tsy antony hambolena korontana sy hifandrangitana ny zava-misy. Mila mahay miara-monina ny Malagasy samy mandinika. Tsy tokony hifamono ny olon-tsotra sy ny mpitandro filaminana. Mba samy miaritra delestazy izao ihany!
r.r