Nataony takalonaina ny zanany roa lahy: voasambotra ilay reny nahavanon-doza

Nampiasain’ny renim-pianakaviana iray ho fitaovam-pitadiavam-bola ny zanany roa tao Mandritsara, ny alarobia 23 oktobra teo. Nolazainy fa nisy naka an-keriny izy mianadahy kely ka mila volabe vao avotra.

Fahasarihanana sady fitiavam-bola tafahoatra! Voasambotry ny mpitandro filaminana ny renim-pianakaviana iray sy lehilahy niray tsikombakomba aminy noho ny fanaovana sarintsarina fakana an-keriny, tao Amba­lanan­tsotry, kaominina Man­dritsara, ny 23 oktobra teo. Niray hevitra tamin’io lehilahy io ity renim-pianakaviana ity fa mody afenina ireo zanany miisa roa. Lazaina amin’ny manodidina aorian’izay fa nisy naka an-keriny ireo zaza ireo. Tanjony ny hahazo vola any amin’ny rain’ny zaza izay monina any Antsohihy. Efa nisaraka izy mivady izay ray aman-dreniny ireo zaza voalaza ireo.

Mody nividy odimoka
Nandeha nivoaka ny trano mody nividy odimoka ilay renim-pianakaviana. Efa vita resaka, nalain’ilay lehilahy ni­ray niray teti-dratsy taminy ary nentina nihazo an’Ambohima­ha­velona noho izany ireo zaza roa. Nanely tsaho tamin’ny mpiray monina ilay renin’ny zaza fa lasan’ny mpaka an-keriny ny zanany. Mitaky volabe ireo olona naka takalonaina ny zanany. Nahare ny zava-nisy, niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP Mandritsara. Nalaina natao famotorana am-bava ilay ra­matoa. Nilaza ity farany fa tompon-kevitra tamin’ny sarin­tsarina fakana an-keriny natao ireo zanany izy. Nokaramainy manokana ilay lehilahy nihazona ireo zanany. Nosam­borina ity farany. Notanana hatao famotorana izy roa ary atolotra ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: