Tato ho ato, mahabe adihevitra eo amin’ny tontolo politika ny fihenan-danjan’ny antoko politika. Na ny fahazoan’ny mahaleo tena na tsy miankina vahana miandalana… Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “Hanahirana raha tsy foana fa avela hanjaka ny tsy miankina, fa ny tombontsoa manokana no lasa mibaiko ny fanaovana politika”. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ahoana no tsy mahavita miatrika fifidianana loatra intsony ny antoko politika?
Rabevahiny Elia (-): Tao anatin’ny folo taona no ho mankaty, mihen-danja ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izay ny antoko politika. Ny mpisehatra politika no mizara roa: mpanao politika sy mpilalao politika. Ny ankamaroany dia mpilalao politika. Tsy ho an’ny firenena no anaovany politika, fa ho an’ny tombontsoany manokana. Mety mpandraharaha izy, na mety misy fanararaotra hitany amin’ny mpitondra dia izay no anaovany politika. Mahazo vahana be izy ireo oharina amin’ny tena mpanao politika.
* Inona ny vokatr’izay?
– Mahazo vahana ny hoe tsy miankina… Lasa izay manana no manao politika. Tsy mipetraka intsony izay hoe vokatry ny fahaizana sy ny fahatakaran’ny tsirairay, fa lasa hoe vola no enti-manana. Izay manam-bola no afa-manao… Izay no mampiroborobo be ny tsy miankina. Ny lalàna koa mametraka hoe afa-misehatra amin’ny politika na iza na iza. Ny vokany, lasa mitsontsorika be ny tena mpanao politika fa vola no atao fitaovana amin’ny fanaovana politika. Raha mitohy izao hoe izay manam-bola ihany no manao politika, ho potika ny firenena. Lasa anjakan’ny vola sy ny fitadiavana tombontsoa fotsiny izany, fa tsy misy ny tena fitsinjovana ny tombontsoam-pirenena.
* Inona no hanarenana an’izay?
– Tsotra fa tsy mora atao… Tokony hisy masontsivana mazava miainga amin’ny lalàna ny fahazoana manangana antoko politika sy fanaovana politika. Tokony ho safidy ny fanaovana politika. Any Frantsa, ohatra, misy ny antoko ankavanana sy ankavia; any Etazonia, ny repoblikanina sy ny demokraty. Sahirana raha vao ivelan’izay. Olona milona anatina antoko ny mpanao politika ary vonona hanao politika no tokony ho eo… Tsy hasiana an’izany hoe tsy miankina izany, fa mamotika firenena. Tsy manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy izy ireo, fa amin’ny vola nolaniany tamin’ny fifidianana. Hanahirana raha tsy foana fa avela hanjaka ny tsy miankina, fa ny tombontsoa manokana no lasa mibaiko ny fanaovana politika.
Nangonin’i R. Nd.