Tsy mifidy intsony ! Izay no azo iantsoana ny fihetsiky ny jiolahy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, ny herinandro teo. Voalohany tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tokantranona polisy iray no novakian’ny jiolahy. Varavaramby ny tranony kanefa sahin’ireo olon-dratsy no namaky izany. Nahavariana tamin’ity raharaha ity, navelan’ireo olon-dratsy teo ivelan’ny trano ny varavarana. Tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, taitra izy mivady raha nahita fa mazavabe tao an-tranony. Nojerena daholo ny entana rehetra tao an-trano sy ny entana sarobidy rehetra. Tsy tafiditra tao an-trano anefa ry zalahy tamin’io fotoana io, araka ny fitantaran’ilay mpitandro filaminana.
Faharoa, tao amin’ny fokontany Analankinina, Hopitalibe Toamasina, tokantranona zandary iray indray koa no nidiran’ny jiolahy an-keriny. Voaroba tamin’izany ny finday avo lenta niaraka tamin’ny fahitalavitra fisaka, poketra sy kojakoja maro samihafa tao an-trano. Hatreto aloha, tombanan’ny mpanara-baovao fa mampiasa fanafody ireo olon-dratsy mpamaky trano tao Toamasina. Tsy nisy nahaheno rahateo ny nidiran’ireo jiolahy tao amin’ireto trano ireto, araka ny fanazavan’ireo mpitandro filaminana niharan’ny vaky trano. Nahavariana tamin’ity fanafihana ity, hitan’ireo jiolahy hatramin’ny poketra misy vola an’ilay zandary napetraka tao ambany ondana. Nahery vaika tokoa ny fanafodin-dry zalahy matoa hitan’izy ireo hatramin’ny poketra misy vola nafenina any ambany ondana.
Sajo