Manentana ny rehetra ho mailo sy hanjifa ny solika eny amin’ireo mpaninjara ara-dalàna sy manana fankatoavana ny OMH. Manentana ny tsirairay hitoroka ny tranga hafahafa eny anivon’ireo tomponandraikitra izy ireo. Mamotika ny toekarena sy manimba ny fiara ny solika mitapoka ary voararan’ny lalàna ny fanaovana izany.
Napetraka ny faritra hanandratana ny fiompiana trondro (ZEP) any Marovoay. Misitraka izany ny fokontany sady kaominina Ambolomoty. Efa hatsangana ny trano fiofanana, ny laboratoara, ary ny dobo fampanatodizana trondro. Eo koa ny dobo fiompiana trondro sy fitahirizana rano.
69% ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara. Voalaza ao anatin’ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena fa fahadimy avo indrindra amin’ny taham-pahantrana maneran-tany izany. Tafiditra ao anatin’io ny taham-pisitrahana tolotra momba ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fari-piainana.
Miisa 2 000 ny tantsaha hisitraka kojakojam-pamokarana amin’ny Tetikasa Riz Plus, any amin’ny faritra Sofia, ho an’ny taom-pambolena 2024-2025. Hanomboka amin’ny novambra izao ny fizarana izany ho an’ny distrika 7 ahitana kaominina 13. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny AFD.