Taorian’ny fanomezana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra teo anivon’ny Sekoly Ambaratonga Fototra (EPP) Ankadinandriana, ny herinandro teo, fitaovam-pianarana samihafa natolotra ho an’ireo mpianatra eo anivon’ny CEG sy EPP teny an-toerana. Hanampy betsaka ny ankizy hifantoka amin’ny fianarana ny fahazahoana ny tolotra tahaka izao. Maro ny olan’ny ray aman-dreny sasany eto amin’ny Nosy. Eo ny tsy fananana fahafahana mividy sy misitraka fitaovam-pianarana noho ny halafon’ny vidim-piainana misy ankehitriny. Ny fahatsapana izany rehetra izany ny antony nanaovana ny hetsika. Natao hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ihany koa. Tanjona ny hahafahana manampy ireo mpianatra amin’ny fahazoan’izy ireo fitaovam-pianarana. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika ara-tsosialy sy fampivoarana ataon’ny orinasa ny tolotra tahaka izao.
Mino