Vonoan’olona : olona fito naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, omaly, ireo fito lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana teny Imerinkasinina, kaominina Anjeva Gara. Tao Ambalanirana no nitranga ity raharaha vonoan’olona ity, ny 17 oktobra 2024 lasa teo. Nokapain’ireo malaso ny hatony ka nitarika ny fahafatesany. Taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana, olona fito no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona izao. Niaiky ny heloka vitany rahateo ireo jiolahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Marihina fa novonoin’ireo olon-dratsy tao an-tranony izy nandritra ny fanafihana tamin’io alina io. Hita faty nivalampatra teo ambony seza tao an’efitranony izy. Nametraka fitoriana ny fianakaviany ka tao anatin’izany no nahafahan’ny zandary nanao ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Ny fanadihadian’ny zandary no nahafantarana fa mpiambina ny tranony ihany no atidoha nikotrika ny fanafihana sy niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy. Anisan’ireo nosamborina tamin’ity raharaha ity koa ny vadiny izay ahina ho misy ifandraisany amin’izao vonoan’olona izao. Ahina ho misy ifandraisany amin’izao raharaha izao ny mpiara-miasa akaiky aminy niaraka tamin’ireo olona eo ambany fifehezany. Tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoan’ireto jiolahy ireto ity raim-pianakaviana ity. Nilaza rahateo ny fianakaviany fa tsy nanana olana tamin’ireo olona akaiky azy izy kanefa izao no nanjo azy. Andrasana, araka izany, ny fotoam-pitsarana ity raharaha ity ka ao anatin’izany no hamantarana ny marina rehetra.

J.C

Partager sur: