Youth Camp 2024 : miofana any Abidjan i Tantely sy i Tiffany

Taorian’ny fiofanana ho an’ny zazalahy, anjaran’ny zazavavy indray no miatrika ny “Fiba Regional Africa Youth Camp”, izay hatao any Abidjan, Côte D’Ivoire. Fiofanana nanomboka omaly ary hifarana ny 26 oktobra izao. Efa nigadona any an-toerana ny fiandohan’ity herinandro ity ny Malagasy mpilalao, Rasoariniaina Tantely, mpilalaon’ny Fandrasa sy Rabeniami­na Kaloniaina Tiffany, mpilalaon’ny MB2ALL, hiatrika izany
fiofanana natokana ho an’ny mpilalao basikety sangany eto Afrika izany. Tanora afrikaninana, zazavavy, 40 no mivondrona ao Abidjan, avy amin’ny federasiona afrikanina 22. Ankoatra ny fanofanana ireo tanora mpilalao basikety eo amin’ny lafiny teknika, misy ihany koa ny fizarana traikefa ho an’ny Afrikanina mpanazatra. Manana solotena miatrika izany fifampizarana traikefa izany i Madagasikara, amin’ny alalan-dRalaivao Felana. Tsiahivina fa nosokafana ofisialy ny 21 oktobra teo, tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Treich­ville, ity “Camp” ity ary nanatrika izany ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel.

Mi.Raz

Partager sur: