Andoharanofotsy : mpianaka maty nianjeran’ny tamboho

Ankizilahy 15 taona sy raim-pianakaviana iray 52 taona niara-maty tototry ny tamboho, omaly. Tsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA ireo naratra mafy.

Namoy ny ainy, nianjeran’ny tamboho lehibe ny ankizilahy avy nianatra sy iray. Teny Belambanana, kaominina Andoharanofotsy no nisehoan’izany, omaly, ta­min’ny 5 ora. Nirava hamonjy fodiana, nandalo teo amin’io toerana io toy ny mahazatra azy ireo mpandalo. Mifanila amin’ny lalankely ny tamboho lehibe izay an’ny orinasa mpanamboatra fiara malaza eny an-toerana. Nidaraboka tampoka anefa ny rindrina lehibe. Taitra ny manodidina, niantso vonjy ireo voatsindrin’ny biriky. Nifanome tanàna avokoa ny fokonolona nanala ny biriky nanindry aza mianaka.
Mpianatra kely ny iray anisan’ireo voatsindry tamin’io fotoana io. Voalaza fa namoy ny ainy izy vokatry ny voina nahazo azy. Nisy olon-dehibe nandalo tamin’io lalana io koa voa mafy. Nentina namonjy ny hopitaly izy saingy tsy tanà ny ainy. “Anaty taxi-be hamonjy fodiana izahay no naharay antso fa voatsindry tao ny rafozako”, hoy ny loharanom-baovao. Vokany, olona roa namoy ny ainy. Ahina mafy ny ain’ny iray fahatelo izay anisan’ ny voatsindry, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso.

Naratra mafy

Olona roa hafa voalaza fa naratra mafy voatsindrin’ny biriky ka voatery nentina na­monjy toeram-pitsaboana. Nampanahy ny mponina hatry ny ela ilay tamboho nirodana. Tsy manaraka fenitra raha ny fanazavan’ny mponina eny an-toerana. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana sy ireo tomponandraikitra eny an-toerana. Nosokafana ny fanadihadiana. Nentina namonjy toeram-pitsa­boana avokoa ireo lasibatra rehetra. Tsy fantatra mazava ny antony niteraka ny loza.
Marihina, hiditra fotoam-pahavaratra izao ka ilaina fahamailoana ny mivezivezy amin’ireo toerana ahina hiho­tsaka.

JC/ Tsiferana R.

Partager sur: