Ranomaso ny an’ny renim-pianakaviana iray nendahin’ny jiolahy teny ambony taxi-moto, omaly antoandro. Jiolahy telo nitondra antsy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Mipetraka eny Andavamamba izy ka handeha haka entana eny Anosibe Tsena no nifanehatra tampoka tamin’ireo olon-dratsy. Mivarotra enta-madinika ny asany ka isan-kerinandro izy no maka entana eny Anosibe, raha ny filazany. Nandeha taxi-moto izy satria somary nitohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana avy any Andavamamba mivoaka mihazo ny lalana mankany Anosibe iny. Ahina ho efa narahan’ireo olon-dratsy avy aoriana izy tamin’io fotoana io ka teo am-pijananona niala tamin’ny taxi-moto teo amin’ny tsenan’Anosibe izy no nisy jiolahy nisintona tampoka ny poketra teny aminy. Lasa ny vola 2 tapitrisa Ar saika hakana entana. Mafy ny herisetra nataon’ireo mpanendaka. Satria, nianjera niaraka tamin’ilay mpitondra taxi-moto mihitsy ity renim-pianakaviana ity. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy niaraka tamin’ny poketrany. Efa nisy moto roa nandray azy ireo teo amin’ny fiolahana mihazo an’Anosizato. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boina, fanindroany amin’izao izy no nisy nanendaka teny Anosibe. Nahavariana tamin’ity raharaha ity, nisy nahatsikaritra ireo jiolahy nanafika saingy nijery fotsiny ireo olona teo amin’ny manodidina hatramin’ny mpitondra sarety tanana satria natahotra ny antsy teny am-pelatanan’izy ireo. Nony efa lasa ireo mpanafika vao nisy olona nanampy nampiakatra azy tamin’izy nianjera teo amin’ny arabe. Naratra ihany koa koa ny tanany satria niezaka niaro ny poketrany saingy tsy nahatohitra an’ireo olon-dratsy.
J.C