FANTINA sy FINTINA

Notanterahina omaly, teny amin’ny Foibe toeran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny fivoriana voalohany ho fanomanana ny ny Fihaonana an-tampon’ny Filoham-panjakana sy ny Governemantan’ny Sadc, izay atao eto Madagasikara ny taona 2025. Nitarika izany ny delegasionina avy amin’ny Sadc, natrehan’ireo solontenan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy.
Nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana ny filohan’ny Antenimierandoholona malagasy, Jly Ravalomanana Richard, teny amin’ny Lapan’ny An­te­nimierandoholona Anosikely ny masoivohon’ny Von­dro­na Eropeanina, Roland Kobia, omaly. Niompana tamin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa ahazoan’ny roa tonta tombony ny dinika, nandritra izany fihaonana izany.
Nanao fanambarana ny amin’ny fanohanany ny kandidà laharana fahefatra, eto Antananarivo Renivohitra ny avy amin’ny vondron’ny kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ny antoko Tim. “Iombonana ny ezaka sy ny tanjona hanarenana an’ Antananarivo Renivohitra ka ilaina firaisankina sy fanohanana izany”, hoy izy ireo.
Nanambara ny fanohanany ny kandidà laharana fahafito eto Antananarivo Renivohitra ny vovonana G7, omaly, teny Mon Gouter Andrefanambohijanahary. Fikambanana miisa 450 avy amin’ny Boriboritany enina eto Antananarivo, mivondrona ao anatin’ity vovonana ity no vonona hampandany ity kandidà laharana fahafito ity.

Partager sur: