Notontosaina, ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy Iavoloha, ny andro faharoa ny fiadiana ny amboaran’ny « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) ». Tsy nampoizin’ny rehetra hatrany ny vokatra teny an-toerana. Anisan’izany, ny fandresen’ny AS Ste Anne Espoir,
1 no ho 0, ny FC Rouge, izay klioba mifanintsana amin’ny diviziona voalohany « Pureplay Football League (PFL) ». Voatazon’ny Disciples FC Espoir ady sahala 2 no ho 2 kosa ny Elgeco Plus, tompon’ ny amboaran’i Madagasikara farany teo. Tsara marihina fa ny Disciples FC, nitarika 2 no ho 0 voalohany, izay vao nanenjika ny Elgeco.
Ao amin’ity vondrona “D” ity, azo lazaina fa efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny AS Ste Anne Espoir, manana isa enina izy ireo, taorian’ireo fahombiazana azony tamin’ny Elgeco Plus sy ny FC Rouge. Mila maka fandresena iray amin’ireto ekipam-piangonana ireto kosa ny Disciples zandriny vao tafita any amin’ny dingana manaraka. Ho toy ny famaranana kely, araka izany, ny fifanandrinan’ny roa tonta amin’ny faran’ny herinandro ho avy io, etsy amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy ihany. “Marina fa efa tafita izahay, saingy ho raisinay toy ny lalao goavana hatrany ny fifanandrinana amin’ny Disciples Espoir”, hoy ny mpanazatran’ ny AS Ste Anne Espoir, Coach Romeo.
Ankoatra izay, nisaraka ady sahala tsy misy nitoko, 0 no ho 0, ny Disciples FC PFL sy ny Cosfa PFL, omaly, teny an-toerana ihany. Samy manana isa efatra izao ny roa tonta, ao amin’ny sokajy B misy azy ireo.
Fitia Randria