Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny roa tamin’ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto. Nanao izay ho afany ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely nanao ny fanenjehana ireto olon-dratsy ireto ka nahitam-bokany izany. Nitrangana vaky trano tao Andranovao Ambohimangakely, ny alin’ny 22 desambra 2023. Nopoizinin’ireo jiolahy ny alika mpiandry tanàna. Moto roa sy groupe iray no lasan’ireo jiolahy. Nanao fikarohana ny zandary taorian’ny fitarainana nataon’ny tompon-trano. Tratra teny Ivandry, ny 18 oktobra 2024 teo ny moto iray saingy novain’ ireo mpangalatra ho mainty ny lokony. Tsy vitan’izay fa mbola novainy koa ny moterany. Tratra teny Anosibe ny moto faharoa efa nivadika taxi-moto. Taratasy hosoka no nampiasaina tamin’ny fifampivarotana sy nitondrana ireo moto. Olona valo no voarohirohy tamin’ity halatra ity ka roa naiditra am-ponja raha telo eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Telo nahazo fahafahana vonjimaika, roa hafa mbola karohina.
J.C