INDRAY MIJERY

Nitrangana halatra sokatra tao amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza, andro vitsy lasa. Karazany Pyxis arachnoides sy Astrochely radiata no very tamin’ izany. Nidina ifotony teny an-toerana ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, manoloana ny tranga. Nambarany fa tokony hamafisina ny fiarovana ny toerana honenan’ireo biby. Nanome torolalana koa izy amin’ny fepetra horaisina amin’ny fiaro­vana azy ireo.

Ahitana oram-baratra any atsimon’i Madaga­sikara ary hiitatra tsikelikely amin’ny afovoan-tany izany ato anatin’ny telo andro ho avy. Amin’ny fiafaran’ny tolakandro no mety hisehoan’izany.

Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanamari­hana ny fihaonambem-paritra andiany fahadimy nataon’ ny holafitry ny psykology tao Antsirabe ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikaran, omaly. Fotoana izay nahafahan’ izy ireo nampitombo fahalalana momba ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny saina sy ny fitantanana ny adin-tsaina ary ny fifandraisana tsy misy herisetra.

Sesilany ny fanentanana ny mpianatra mahakasika ny arolozan’ny fifamoivoizana. Mba ho mpianatra tomponandraikitra miaro ny ainy sy miaro ny hafa ireo akizy. Entanina, araka izany, ny ankizy hijery an-kavia sy an-kavanana ka rehefa tsy misy fiara vao miampita. Tsy milalao eny amin’ny arabe ary mamonjy fodiana avy hatrany rehefa mirava fa tsy milalao eny an-dalambe.

Partager sur: