« Invitation aux Temps »: tetikasan’Andriantseheno Finoana Ratovo

Hotanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, ny fampirantiana ny tetikasa «Invitation aux Temps». Fampirantiana tontosain’i Finoana Ratovo Andriantse­heno, laharana faharoa nandritra ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahavalo, miaraka amin’ny Fondation H. Ity tetikasa ity dia manasa an­tsika hanaiky ny fiovana sy ny tsingerina voajanahary izay manasongadina ny fiainana, sady manantitrantitra ny lanjan’ ny fotoana tsirairay niainana. Izany no asehon’i Finoana Ratovo Andriantseheno ao anatin’ny zavakanto vita amin’ ny vy.
Finoana Ratovo Andrian­tseheno, teraka ny taona 1993, mipetraka sy miasa eto Antananarivo. Avy amina fianakaviana mpanefy ity mpanakanto ity. Nolovainy tamin’ ireo ray aman-dreniny, araka izany, ny fikirakirana ny vy. Nisintona ny aingam-panahiny amin’ny fiainan’ny olombelona izany tontolo niainany sy traikefa ananany izany ka navadiny ho zavakanto mampita hafatra. Ao anatin’ity fampirantiana ity no hanehoany ireo zavakanto vita amin’ny vy, izay maneho fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary fitoviana.

Tsiahivina fa anisan’ny nahavoafantina azy ho isan’ ireo mpandresin’ny “Prix Paritana” andiany fahavalo ity zavakanto iangaliny ity. Mi­avaka tokoa mantsy izy ity amin’ny maha akora fototra ny vy amin’ny fanatontosana azy.

Lin

Partager sur: